1 Kings 1:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia tahaka ilay nianianako tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ka nilazako hoe: I Solomona zanakao lahy no hanjaka handimby ahy ary izy no hipetraka eo amin’ny sezafiandrianako hisolo ahy, dia izany ihany no hataoko anio.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hotanterahiko anio ilay fianianana nataoko tamin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely hoe: I Salômôna zanakao lahy hanjaka handimby ahy ary hipetraka eo amin’ny seza fiandrianako hisolo ahy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
koa mianiana aminao aho fa hotanterahiko anio izay efa nampanantenaiko taminao teo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely hoe: «I Salômôna zanakao no hanjaka handimby ahy ka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianako».
Malagasy Bible 1865
dia tahaka ilay nianianako tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sady nilazako taminao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako hisolo ahy, dia izany ihany no hataoko anio.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia tahaka ilay nianianako tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ka nilazako hoe: I Solomona zanakao lahy no hanjaka handimby ahy ary izy no hipetraka eo amin’ny sezafiandrianako hisolo ahy, dia izany ihany no hataoko anio.
malagasy