1 Kings 1:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Davida mpanjaka: Antsoy hankaty amiko i Zadoka mpisorona sy i Natana mpaminany ary i Benaia, zanak’i Joiada. Dia niditra nankeo anatrehan’ny mpanjaka izy telo lahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Davida mpanjaka: «Asaovy mankatỳ i Sadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany, ary i Banaiasa zanak’i Jôiadasa.» Nony niditra nankeo anatrehan’ny mpanjaka ireo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampiantsoin’i Davida i Tsadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany ary i Benaià zanakalahin’i Jôiadà; rehefa tonga teo anatrehan’ny mpanjaka izy telo lahy ireo,
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Davida mpanjaka: Antsoy hankatỳ amiko Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany ary Benaia, zanak'i Joiada. Dia niditra nankeo anatrehan'ny mpanjaka izy telo lahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Davida mpanjaka: Antsoy hankaty amiko i Zadoka mpisorona sy i Natana mpaminany ary i Benaia, zanak’i Joiada. Dia niditra nankeo anatrehan’ny mpanjaka izy telo lahy.
malagasy
Ary hoy Davida mpanjaka: Antsoy hankatỳ amiko Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany ary Benaia, zanak'i Joiada. Dia niditra nankeo anatrehan'ny mpanjaka izy telo lahy.