1 Kings 1:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary aoka hanosotra azy any ho mpanjakan’ny Israely i Zadoka mpisorona sy i Natana mpaminany. Tsofinareo avy eo ny anjomara ka lazao hoe: Ho ela velona anie i Solomona mpanjaka!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa mby any, i Sadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany dia hanosotra azy ho mpanjaka amin’i Israely, ary ianareo hitsoka anjomara sy hilaza hoe: Ho ela velona anie i Salômôna mpanjaka!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Any no hanosotra azy ho mpanjakan’i Israely i Tsadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany; ary ianareo sisa kosa hitsoka ny anjomara sady hihiaka hoe: «Ho ela velona anie i Salômôna mpanjaka!»
Malagasy Bible 1865
Ary aoka Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany hanosotra azy any ho mpanjakan'ny Isiraely; ary tsofinareo ny anjomara, ka lazao hoe: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary aoka hanosotra azy any ho mpanjakan’ny Israely i Zadoka mpisorona sy i Natana mpaminany. Tsofinareo avy eo ny anjomara ka lazao hoe: Ho ela velona anie i Solomona mpanjaka!
malagasy
Ary aoka Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany hanosotra azy any ho mpanjakan'ny Isiraely; ary tsofinareo ny anjomara, ka lazao hoe: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!