1 Kings 1:35 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia miakara manaraka azy ianareo ary aoka hiditra izy ka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianako; fa izy no ho mpanjaka hisolo ahy, satria izy no voatendriko ho mpitondra ny Israely sy ny Joda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany, miakara manaraka azy ianareo, fa ho avy hipetraka eo amin’ny seza fiandrianako izy, ka hanjaka hisolo ahy, satria izy no tendreko ho filohan’i Israely sy i Jodà.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo ianareo dia hiakatra hanaraka azy ao an-tanàna; ary hiditra i Salômôna dia hipetraka eo amin’ny sezafiandrianako ka hanjaka hisolo ahy, satria izy no voatendriko ho filohan’i Israely sy i Joda.
Malagasy Bible 1865
Dia miakara manaraka azy ianareo, ary aoka izy hiditra ka hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako; fa izy no ho mpanjaka hisolo ahy. satria izy no voatendriko ho mpanapaka ny Isiraely sy ny Joda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia miakara manaraka azy ianareo ary aoka hiditra izy ka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianako; fa izy no ho mpanjaka hisolo ahy, satria izy no voatendriko ho mpitondra ny Israely sy ny Joda.
malagasy
Dia miakara manaraka azy ianareo, ary aoka izy hiditra ka hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako; fa izy no ho mpanjaka hisolo ahy. satria izy no voatendriko ho mpanapaka ny Isiraely sy ny Joda.