1 Kings 1:38 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nidina i Zadoka mpisorona, i Natana mpaminany, i Benaia, zanak’i Joiada, ary ny Keretita sy ny Peletita ka nampitaingenin’izy ireo ny ampondravavin’i Davida mpanjaka i Solomona ary noentiny nankany Gihona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandeha i Sadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany, ary i Banaiasa zanak’i Jôiadasa mbamin’ny Keretianina sy ny Feletianina; nasainy nitaingina ny mole vavin’i Davida mpanjaka i Salômôna, dia nentiny nankany Gihôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nidina nankany amin’i Salômôna i Tsadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany ary i Benaià zanakalahin’i Jôiadà, niaraka tamin’ny Keretita sy ny Peletita mpiambina andriana ka nampitaingina azy ny borikivavin’i Davida, ary nitondra azy nankany Gihôna.
Malagasy Bible 1865
Dia nidina Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Renaia, zanak'i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana, dia nampitaingina an'i Solomona ny ampondravavin'i Davida mpanjaka izy, ka dia nitondra azy nankany Gihona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nidina i Zadoka mpisorona, i Natana mpaminany, i Benaia, zanak’i Joiada, ary ny Keretita sy ny Peletita ka nampitaingenin’izy ireo ny ampondravavin’i Davida mpanjaka i Solomona ary noentiny nankany Gihona.
malagasy
Dia nidina Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Renaia, zanak'i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana, dia nampitaingina an'i Solomona ny ampondravavin'i Davida mpanjaka izy, ka dia nitondra azy nankany Gihona.[Heb. Keretita sy Peletita]