1 Kings 1:39 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary naka ny tandroka misy diloilo tao amin’ny tranolay i Zadoka mpisorona ka nanosotra an’i Solomona. Notsofina avy eo ny anjomara sady hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie i Solomona mpanjaka!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Sadôka mpisorona, naka ny tandroka misy diloilo tao amin’ny taberbakla, dia nanosotra an’i Salômôna, ary nitsoka anjomara ny olona, ary ny vahoaka rehetra nanao hoe: «Ho ela velona anie i Salômôna mpanjaka!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nalain’i Tsadôka mpisorona ny tandroka misy menaka tao amin’ny Tranolay Fihaonana ka nandrarahany tamin’ny lohan’i Salômôna ho fanosorana azy ho mpanjaka. Notsofina tamin’izay ny anjomara, ary ny vahoaka rehetra teo samy nihiaka hoe: «Ho ela velona anie i Salômôna mpanjaka!»
Malagasy Bible 1865
Ary Zadoka mpisorona naka ny tandroka misy diloilo tao amin'ny trano-lay ka nanosotra an'i Solomona. Ary notsofina ny anjomara, ka dia hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary naka ny tandroka misy diloilo tao amin’ny tranolay i Zadoka mpisorona ka nanosotra an’i Solomona. Notsofina avy eo ny anjomara sady hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie i Solomona mpanjaka!
malagasy
Ary Zadoka mpisorona naka ny tandroka misy diloilo tao amin'ny trano-lay ka nanosotra an'i Solomona. Ary notsofina ny anjomara, ka dia hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!