1 Kings 1:41 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ren’i Adonia sy ireo olona rehetra izay nasaina teo aminy izany rehefa nitsahatra nihinana izy ireo. Dia hoy i Joaba nony nahare ny feon’ny anjomara: Inona re izao hotakotaka mampitabataba ny tanàna izao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ren’i Adoniasa sy ireo nasainy rehetra, izay teo aminy, izany, tamin’ilay nanapitra ny fihinanam-beny iny izy. Ary hoy i Jôaba nandre ny feon’anjomara: «Tabataba inona izato avy amin’ny tanàna mihotakotaka?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tapi-nihinana i Adônià sy ny nasainy rehetra dia samy nahare ny horakoraky ny olona; i Jôaba aza dia nandre ny feon’anjomara ka velom-panontaniana hoe: –Fa inona izany kotaba be manerana ny tanàna izany?
Malagasy Bible 1865
Ary Adonia sy ireo olona rehetra izay nasaina teo aminy nandre izany, rehefa nitsahatra nihinana izy. Ka raha nahare ny feon'ny anjomara Joaba, dia hoy izy: Inona re izany hotakotaka mampitabataba ny tanàna izany e?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ren’i Adonia sy ireo olona rehetra izay nasaina teo aminy izany rehefa nitsahatra nihinana izy ireo. Dia hoy i Joaba nony nahare ny feon’ny anjomara: Inona re izao hotakotaka mampitabataba ny tanàna izao?
malagasy