1 Kings 1:45 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nohosoran’i Zadoka mpisorona sy i Natana mpaminany ho mpanjaka tao Gihona izy. Niakatra avy teo izy ireo sady nifaly ka naresaka be terỳ ny tanàna. Izany no tabataba renareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nohosoran’i Sadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany ho mpanjaka izy, tany Gihôna; dia niakatra avy eny tamim-piravoravoana izy ireo, ka mihotakotaka ny tanàna, ary ny tabataban’izany ilay renareo teo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Tsadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany nanosotra azy ho mpanjaka teo Gihôna. Avy eo ny olona rehetra dia niakatra tao an-tanàna naneho ny hafaliany, ka dia feno horakoraka ny tanàna. Izany izao kotaba be renareo izao.
Malagasy Bible 1865
Ary Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany efa nanosotra azy teo Gihona ho mpanjaka; ary niakatra avy teo. izy sady nifaly, ka dia nihorika terỳ ny tanàna. Izany no hotakotaka renareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nohosoran’i Zadoka mpisorona sy i Natana mpaminany ho mpanjaka tao Gihona izy. Niakatra avy teo izy ireo sady nifaly ka naresaka be terỳ ny tanàna. Izany no tabataba renareo.
malagasy
Ary Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany efa nanosotra azy teo Gihona ho mpanjaka; ary niakatra avy teo. izy sady nifaly, ka dia nihorika terỳ ny tanàna. Izany no hotakotaka renareo.