1 Kings 1:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanandratra ny tenany i Adonia, zanakalahin’i Hagita, ka nilaza hoe: Izaho no hanjaka. Dia nanomana kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly ary dimampolo lahy ho mpihazakazaka eo alohany izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Adoniasa nanandra-tena, ka nanao anakampo hoe: «Izaho no ho mpanjaka.» Ary nanomana kalesy aman-tsoavaly ho azy izy, ary olona 50 lahy ho mpihazakazaka eo alohany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa i Adônià zanakalahin’i Hagita kosa tamin’izay no nanandra-tena ho mpanjaka. Dia nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary lehilahy dimampolo ho mpihazakazaka eo anoloany izy.
Malagasy Bible 1865
Ary Adonia, zanakalahin'i Hagita, nanandratra ny tenany ka nanao hoe: Izaho no hanjaka; dia nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary Adonia, zanakalahin'i Hagita, nanandratra ny tenany ka nanao hoe: Izaho no hanjaka; dia nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany izy.