1 Kings 1:51 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy nanambara tamin’i Solomona hoe: Indro, i Adonia matahotra an’i Solomona mpanjaka; koa ao izy mihazona ny tandroky ny alitara sady miteny hoe: Aoka hianiana amiko aloha i Solomona mpanjaka fa tsy hamono ahy mpanompony amin’ny sabatra!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy nilaza izany tamin’i Salômôna nanao hoe: «Indro, i Adoniasa matahotra an’i Salômôna mpanjaka, ary indro izy namikitra amin’ny tandroky ny ôtely, nanao hoe: Aoka hianiana amiko i Salômôna mpanjaka anio, fa tsy hamono ny mpanompony amin’ny sabatra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nisy nanambara izany tamin’i Salômôna ka nanao hoe: –Natahotra anao mafy i Adônià, ry Salômôna mpanjaka; ka indro izy fa mamikitra amin’ny tandroky ny alitara sady manao hoe: «Tsy hiala eto mihitsy aho raha tsy mianiana amiko i Salômôna mpanjaka fa tsy hamono ahy ho faty amin’ny sabatra».
Malagasy Bible 1865
Ary nambara tamin'i Solomona hoe: Indro, Adonia matahotra an'i Solomona mpanjaka; koa indro izy efa mangia ny tandroky ny alitara ka manao hoe: Aoka Solomone mpanjaka hianiana amiko aloha fa tsy hamono ahy mpanompony amin'ny sabatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy nanambara tamin’i Solomona hoe: Indro, i Adonia matahotra an’i Solomona mpanjaka; koa ao izy mihazona ny tandroky ny alitara sady miteny hoe: Aoka hianiana amiko aloha i Solomona mpanjaka fa tsy hamono ahy mpanompony amin’ny sabatra!
malagasy