1 Kings 1:52 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy i Solomona: Raha hita fa lehilahy azo antoka izy dia tsy hisy na dia singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin’ny tany; fa raha ahitana heloka kosa aminy dia ho faty ihany izy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Salômôna: «Raha miseho ho lehilahy mahery izy, dia tsy hisy latsaka amin’ny tany na dia singam-bolony iray aza, fa raha misy heloka hita aminy kosa, dia ho faty izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy i Salômôna: –Raha mitondra tena toy ny olom-banona izy, dia tsy hisy hikasika na dia singam-bolony iray aza; fa raha hita ho manan-keloka kosa izy, dia ho faty ihany.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Solomona: Raha hita fa lehilahy tsara fanahy izy, dia tsy hisy na dia singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin'ny tany; fa raha misy heloka kosa ho hita aminy, dia ho faty ihany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy i Solomona: Raha hita fa lehilahy azo antoka izy dia tsy hisy na dia singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin’ny tany; fa raha ahitana heloka kosa aminy dia ho faty ihany izy!
malagasy
Fa hoy Solomona: Raha hita fa lehilahy tsara fanahy izy, dia tsy hisy na dia singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin'ny tany; fa raha misy heloka kosa ho hita aminy, dia ho faty ihany izy.Dia naniraka Solomona mpanjaka nampidina azy hiala amin'ny alitara. Dia avy izy ka niankohoka teo anatrehan'i Solomona mpanjaka; ary dia hoy Solomona taminy: Modia any an-tranonao.