1 Kings 1:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary namono ondry aman’osy sy omby ary zanak’omby mifahy teo akaikin’ny vato Zoheleta teo anilan’i Eny-Rogela i Adonia ka nanasa ny rahalahiny, izay zanakalahin’ny mpanjaka rehetra sy ny lehilahin’ny Joda rehetra izay mpanompon’ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Adoniasa namono ondry sy omby ary zanak’omby matavy, teo akaikin’ny vaton’i Zoheleta anilan’i En-Rogela, ka nanasa ny rahalahiny rehetra, zanaky ny mpanjaka, mbamin’ny lehilahy rehetra amin’i Jodà mpanompon’ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro dia nikorana teo amin’ny vaton’i Zôheleta akaikin’i Haîna-Rôgela i Adônià ka namono ondry sy omby ary biby matavy. Nasainy avokoa ny rahalahiny rehetra zanaky ny mpanjaka ary ny lehilahy rehetra amin’i Joda izay mpanompon’ny mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Ary Adonia namono ondry aman'osy sy omby ary zanak'omby mifahy teo anilan'ny vato Zoheleta tanilan'i En-rogela ka nanasa ny rahalahiny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy ny lehilahy rehetra amin'ny Joda, mpanompon'ny mpanjaka;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary namono ondry aman’osy sy omby ary zanak’omby mifahy teo akaikin’ny vato Zoheleta teo anilan’i Eny-Rogela i Adonia ka nanasa ny rahalahiny, izay zanakalahin’ny mpanjaka rehetra sy ny lehilahin’ny Joda rehetra izay mpanompon’ny mpanjaka.
malagasy