1 Kings 10:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpanjakavavin’i Sheba, rehefa nahare ny lazan’i Solomona noho ny amin’ny anaran’NY TOMPO, dia avy hizaha toetra azy amin’ny fanontaniana sarotra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandre ny lazan’anaran’i Salômôna amin’ny Anaran’i Iaveh, ny mpanjaka vavin’i Sabà, ka tamy hizaha toetra azy amin’ny ankamantatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpanjakavavin’i Sebà dia nahare ny laza nananan’i Salômôna noho ny anaran’ny TOMPO, ka avy hitsapa azy tamin’ny fanontaniana sarotra.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjakavavin'i Sheba, rehefa nahare ny lazan'i Solomona ny amin'ny anaran'i Jehovah. dia avy hizaha toetra azy amin'ny fanontaniana sarotra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpanjakavavin’i Sheba, rehefa nahare ny lazan’i Solomona noho ny amin’ny anaran’NY TOMPO, dia avy hizaha toetra azy amin’ny fanontaniana sarotra.
malagasy
[My namangian'ny mpanjakavavin'i Sheba an'i Solomona] Ary ny mpanjakavavin'i Sheba, rehefa nahare ny lazan'i Solomona ny amin'ny anaran'i Jehovah. dia avy hizaha toetra azy amin'ny fanontaniana sarotra,