1 Kings 10:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny hazo almoga moa dia nanaovan’ny mpanjaka arofanina tamin’ny tranon’NY TOMPO sy ny lapan’andriana ary nanamboarany lokanga sy valiha ho an’ny mpihira. Tsy nahitana hazo almoga betsaka toy izany tonga tany mandraka androany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka nanaovan’ny mpanjaka arofanina amin’ny tranon’i Iaveh sy amin’ny tranon’ny mpanjaka, ary harpa amam-baliha ho an’ny mpihira, ny hazo santala. Tsy nisy tonga intsony izany hazo santala izany, ary tsy nisy nahita izany intsony mandrak’androany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny hazo sarobidy dia nataon’ny mpanjaka arofanina tao amin’ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’andriamanjaka ary koa nanamboarany lokanga sy valiha ho an’ny mpihira; ka tsy nisy hazo sarobidy tonga na hita toy izany intsony tany Israely mandraka ankehitriny.
Malagasy Bible 1865
Ary ny hazo almoga dia nataon'ny mpanjaka arofanina tamin'ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana ary nataony lokanga sy valiha ho an'ny mpihira kosa; tsy nisy hazo almoga tonga tany na hita toy izany intsony mandraka androany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny hazo almoga moa dia nanaovan’ny mpanjaka arofanina tamin’ny tranon’NY TOMPO sy ny lapan’andriana ary nanamboarany lokanga sy valiha ho an’ny mpihira. Tsy nahitana hazo almoga betsaka toy izany tonga tany mandraka androany.
malagasy