1 Kings 10:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nomen’i Solomona mpanjaka ho an’ny mpanjakavavin’i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, ankoatra izay nomeny azy araka ny fahalalahan-tanan’i Solomona mpanjaka. Koa niverina nody any amin’ny taniny izy mbamin’ny mpanompony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia mba nomen’i Salômôna izay rehetra niriny sy nangatahiny kosa ny mpanjaka vavin’i Sabà, afa-tsy ireo fanatitra izay mifanerana amin’ny fahambonian’ny mpanjaka toa an’i Salômôna. Izay vao niverina nody any amin’ny taniny izy sy ny mpanompony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tetsy an-danin’izany kosa dia nomen’i Salômôna mpanjaka ny mpanjakavavin’i Sebà avokoa izay rehetra niriny sy nangatahiny, ankoatra izay natolony azy araka ny fahalalahan-tanan’i Salômôna mpanjaka. Avy eo ilay mpanjakavavy sy ireo mpanompony dia niverina nody tany amin’ny taniny.
Malagasy Bible 1865
Ary Solomona mpanjaka nanome ny mpanjakavavin'i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, afa-tsy izay nomeny azy araka ny fanomen'i Solomona mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa nody tany amin'ny taniny izy mbamin'ny mpanompony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nomen’i Solomona mpanjaka ho an’ny mpanjakavavin’i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, ankoatra izay nomeny azy araka ny fahalalahan-tanan’i Solomona mpanjaka. Koa niverina nody any amin’ny taniny izy mbamin’ny mpanompony.
malagasy