1 Kings 10:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanao ampinga volamena telonjato tamin’ny volamena voafisaka koa izy ka takelaka volamena milanja telo mane no napetaka tamin’ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin’ny trano Alan’i Libanona ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao ampinga kely 300 koa vita tamin’ny volamena voatefy izy, ary volamena lanjana telo mina no lany tamin’ny isan’ampinga, ka napetraky ny mpanjaka tao amin’ilay trano Alan’i Libàna ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampamboatra ampingakely telonjato tamina metaly miharo volamena koa izy; ka lanjam-bolamena iray kilao sy sasany avy no nilaina isan’ampinga. Ary napetraky ny mpanjaka tao amin’ilay trano antsoina hoe «Alan’i Libano» ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena telo mane no napetaka tamin'ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin'ny trano Alan'i Libanona ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanao ampinga volamena telonjato tamin’ny volamena voafisaka koa izy ka takelaka volamena milanja telo mane* no napetaka tamin’ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin’ny trano Alan’i Libanona ireo.
malagasy
Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena telo mane no napetaka tamin'ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin'ny trano Alan'i Libanona ireo.