1 Kings 10:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fanaka fisotroan’i Solomona mpanjaka dia volamena ary ny fanaka rehetra tao amin’ny trano Alan’i Libanona koa dia volamena voafantina avokoa; tsy nisy volafotsy ireo fa noheverina ho tsinontsinona izany tamin’ny andron’i Solomona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny kapoaka fisotroan’i Salômôna mpanjaka, dia volamena avokoa, ny vilia rehetra tao amin’ny trano Alan’i Libàna, volamena madio avokoa. Tsy nisy volafotsy tamin’ireny, fa natao tsinontsinona izany tamin’ny andron’i Salômôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Volamena avokoa ny tsatokaty fisotroan’i Salômôna mpanjaka; ary volamena tsara avokoa ny kojakoja rehetra tao amin’ilay trano antsoina hoe «Alan’i Libano». Tsy nisy vita volafotsy ireo, satria noheverina ho tsy dia sarobidy loatra izany tamin’ny andron’i Salômôna.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fisotroan'i Solomona mpanjaka dia volamena, ary ny fanaka rehetra tao amin'ny trano Alan'i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo; fa nataony toy ny tsinontsinona izany tamin'ny andron'i Solomona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fanaka fisotroan’i Solomona mpanjaka dia volamena ary ny fanaka rehetra tao amin’ny trano Alan’i Libanona koa dia volamena voafantina avokoa; tsy nisy volafotsy ireo fa noheverina ho tsinontsinona izany tamin’ny andron’i Solomona.
malagasy