1 Kings 10:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny mpanjaka dia nanana sambon’i Tarsisy mbamin’ireo sambon’i Hirama teny ambonin’ny ranomasina; indray mandeha isan-telo taona no tonga ny sambon’i Tarsisy nitondra volamena, volafotsy, ivoara, rajako ary vorombola.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa fanampin’ny sambon’i Hirama, mbola nanana sambo any Tarsisa koa ny mpanjaka, teny ambonin’ny ranomasina; ary tonga isan-telo taona ny sambo avy any Tarsisa, mitondra volamena sy volafotsy ary ivoara, rajako sy vorombola.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpanjaka manko dia nanana sambo vaventy izay nitety ranomasina niaraka tamin’ny sambon’i Hirama; ary indray mandeha isan-telo taona ireo sambo vaventy ireo no tonga mitondra volamena sy volafotsy amana ivoara ary koa rajako sy vorombola.
Malagasy Bible 1865
Fa ny mpanjaka nanana sambon'i Tarsisy mbamin'ny sambon'i Hirama teny ambonin'ny ranomasina; ary indray mandeha amin'ny telo taona no nihavian'ny sambon'i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny mpanjaka dia nanana sambon’i Tarsisy mbamin’ireo sambon’i Hirama teny ambonin’ny ranomasina; indray mandeha isan-telo taona no tonga ny sambon’i Tarsisy nitondra volamena, volafotsy, ivoara, rajako ary vorombola.
malagasy
Fa ny mpanjaka nanana sambon'i Tarsisy mbamin'ny sambon'i Hirama teny ambonin'ny ranomasina; ary indray mandeha amin'ny telo taona no nihavian'ny sambon'i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola.[pavo]