1 Kings 10:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanangona kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly koa i Solomona ka nanana kalesy fitondra miady efajato sy arivo ary mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina izy, ka natobiny tao amin’ireo tanàna fitoeran’ny kalesy sy tao amin’ny mpanjaka tany Jerosalema ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly i Salômôna, ka nanan-kalesy 1.400, sy mpitaingin-tsoavaly 12.000 izy, ary ireo dia napetrany tao amin’ny tanàna fitoeran-kalesiny, ary tao Jerosalema akaikin’ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanangona kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly i Salômôna ka nanana kalesy 1 400 sy mpitaingin-tsoavaly 12 000 izay nisy natobiny tamin’ireo tanàna fitoeran-kalesy ary nisy notanany teo aminy tao Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly; ary nanana kalesy efajato amby arivo izy sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo amby iray alina, izay nataony tao amin'ireo tanàna fitoeran'ny kalesy sy tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanangona kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly koa i Solomona ka nanana kalesy fitondra miady efajato sy arivo ary mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina izy, ka natobiny tao amin’ireo tanàna fitoeran’ny kalesy sy tao amin’ny mpanjaka tany Jerosalema ireny.
malagasy