1 Kings 10:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nataon’ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy any Sefela.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tao Jerosalema ny volafotsy nataon’ny mpanjaka ho ankabetsahana toy ny vato, ary ny hazo sedera nataony maro toy ny amontana maniry any an-tany lemaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy ny hamaroan’ny vatokely no nataon’ny mpanjaka habetsaky ny volafotsy tao Jerosalema; ary toy ny hamaroan’ny aviavy any amin’ny lemak’i Sefelà no nataony habetsaky ny hazo sedera.
Malagasy Bible 1865
Ary nataon'ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nataon’ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy any Sefela.
malagasy
Ary nataon'ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka.[Heb. Sefela]