1 Kings 10:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Avy tany Ejipta no nahazoan’i Solomona soavaly; ny iray toko tamin’ny mpivaro-mandeha an’ny mpanjaka dia naka ny andiany iray araka izay vidiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Avy tany Ejipta no niavian’ny soavalin’i Salômôna: antokony iray tamin’ny mpandranton’ny mpanjaka no nandeha naka azy amin’andiany, araka ny vidiny efa nifanekena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny soavalin’i Salômôna dia avy tany Ejipta sy Silisia; ny mpandranton’ny mpanjaka no nividy azy tany.
Malagasy Bible 1865
Ary avy any Egypta no nahazoan'i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka dia naka ny andiany iray araka izay vidiny voatendry.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Avy tany Ejipta no nahazoan’i Solomona soavaly; ny iray toko tamin’ny mpivaro-mandeha an’ny mpanjaka dia naka ny andiany iray araka izay vidiny.
malagasy
Ary avy any Egypta no nahazoan'i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka dia naka ny andiany iray araka izay vidiny voatendry.Ary ny vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany kosa no nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana.