1 Kings 10:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny vidin’ny kalesy fitondra miady iray noentiny niakatra avy tany Ejipta dia volafotsy eninjato sekela, ary ny soavaly dimampolo amby zato avy. Toy izany koa no nitondrany ho an’ny mpanjakan’ny Hetita sy ny mpanjakan’ny Arameana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka volafotsy 600 sikla no vidin’ny kalesy iray nenti-niakatra avy any Ejipta; ary 150 avy kosa ny soavaly. Ary nisy nentiny nivoaka avy ao tahaka izany koa amin’ny anaran’ny tenany, ho an’ny mpanjakan’ny Heteanina rehetra, sy ho an’ny mpanjakan’i Siria.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny kalesy fitondra miady anankiray avy tany Ejipta dia nitentina sekela volafotsy eninjato, ary ny soavaly anankiray kosa dia sekela volafotsy 150; toy izany vidiny izany koa no nitondran’ireo mpandranto ireo ho an’ny mpanjakan’ny Hetita sy ho an’ny mpanjakan’i Siria.
Malagasy Bible 1865
Ary ny vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany kosa no nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny vidin’ny kalesy fitondra miady iray noentiny niakatra avy tany Ejipta dia volafotsy eninjato sekela, ary ny soavaly dimampolo amby zato avy. Toy izany koa no nitondrany ho an’ny mpanjakan’ny Hetita sy ny mpanjakan’ny Arameana.
malagasy