1 Kings 10:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ny fihinany teo amin’ny latabany, ny fonenan’ny tandapany, ny fahaizan’ny mpanompony mbamin’ny fitafian’ireo sy ny mpitondra kapoakany ary ny fanatitra dorana manontolo izay nateriny tao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia talanjona terỳ izy
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny sakafo teo ambony latabany, ny trano fitoeran’ny mpanompony, ny efitra amam-pitafian’ny mpiasa an-tranony mbamin’ny mpandroso divay eo aminy, ny ambaratonga fiakarany ho eo amin’ny tranon’i Iaveh, dia talanjona
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ny sakafo teo amin’ny latabany ary ny toeram-ponenan’ireo tandapany, ny fitafian’ny mpandroso sakafo sy mpitondra divay ary koa ny sorona dorana manontolo natolony tao an-tranon’ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy
Malagasy Bible 1865
sy ny fihinany teo amin'ny latabany sy ny fipetrahan'ny tandapany sy ny fitoeran'ny mpanompony mbamin'ny fitafian'ireo sy ny mpitondra kapoakany ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon'i Jehovah, dia talanjona terỳ izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ny fihinany teo amin’ny latabany, ny fonenan’ny tandapany, ny fahaizan’ny mpanompony mbamin’ny fitafian’ireo sy ny mpitondra kapoakany ary ny fanatitra dorana manontolo izay nateriny tao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia talanjona terỳ izy
malagasy
sy ny fihinany teo amin'ny latabany sy ny fipetrahan'ny tandapany sy ny fitoeran'ny mpanompony mbamin'ny fitafian'ireo sy ny mpitondra kapoakany ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon'i Jehovah, dia talanjona terỳ izy. [Na: ny fanatitra odorany izay nateriny tao]