1 Kings 10:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tsy nino ny filazana aho raha tsy tonga tatỳ, koa ny masoko no mahita. Kanjo hay, na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory! Fa indro, ny fahendrenao sy ny voninahitrao dia mihoatra lavitra noho izay laza efa reko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nety nino ny lazan’olona aho, raha tsy efa tonga nahita maso, kanjo hay mbola tsy ampy antsasany akory no voalaza tamiko! Fa mihoatra lavitra noho ny reko tamin’ny filazan’olona ny fahendrena amam-boninahitrao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa tsy nino ny filàzan’olona aho, raha tsy tonga sy atỳ, ka ny masoko no mahita. Hay na dia ny antsasany aza tsy voambara tamiko akory. Fa mihoatra lavitra noho ny laza efa reko ny fahendrena sy ny fahamendrehana izay anananao.
Malagasy Bible 1865
kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita, kanjo hay! na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory: fa, indro, ny fahendrenao sy ny voninahitrao dia mihoatra lavitra noho izay laza efa reko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tsy nino ny filazana aho raha tsy tonga tatỳ, koa ny masoko no mahita. Kanjo hay, na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory! Fa indro, ny fahendrenao sy ny voninahitrao dia mihoatra lavitra noho izay laza efa reko.
malagasy