1 Kings 10:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Isaorana anie NY TOMPO Andriamanitrao, izay tia anao ka nametraka anao amin’ny sezafiandrianan’ny Israely! Fa noho ny fitiavan’NY TOMPO, izay itiavany ny Israely mandrakizay, no nanaovany anao ho mpanjaka hanao fitsarana sy fahamarinana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hankalazaina anie i Iaveh Andriamanitrao, izay mankasitraka anao, ka nametraka anao eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely. Fa fitiavany mandrakizay an’i Israely no nametrahan’i Iaveh anao ho mpanjaka, mba hanome rariny ny olona sy hitsara azy marina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao fa sitrany napetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely ianao; noho ny fitiavany mandrakizay an’i Israely manko no nanaovan’ny TOMPO anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.
Malagasy Bible 1865
Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay tia anao ka nametraka anao amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely; fa noho ny fitiavan'i Jehovah, izay itiavany ny Isiraely mandrakizay, no nanaovany anao ho mpanjaka mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Isaorana anie NY TOMPO Andriamanitrao, izay tia anao ka nametraka anao amin’ny sezafiandrianan’ny Israely! Fa noho ny fitiavan’NY TOMPO, izay itiavany ny Israely mandrakizay, no nanaovany anao ho mpanjaka hanao fitsarana sy fahamarinana.
malagasy