1 Kings 11:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tia vehivavy maro hafa firenena ankoatra ilay zanakavavin’i Farao anefa i Solomona mpanjaka: Vehivavy moabita, amonita, edomita, sidoniana ary hetita,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Afa-tsy ny zanaka vavin’i Faraôna, maro koa ny vehivavy hafa firenena tian’i Salômôna, dia ny Moabita, ny Amônita, ny Edômita, ny Sidonianina, ny Heteanina,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankoatra ny zanakavavin’ny Farao, dia nanambady vehivavy maro hafa firenena koa i Salômôna mpanjaka, dia vehivavy môabita sy hamônita sy edômita ary tsidônianina sy hetita.
Malagasy Bible 1865
Fa Solomona mpanjaka tia vehivavy maro hafa firenena, fa tsy ilay zanakavavin'i Farao ihany, dia vehivavy Moabita sy Amonita sy Edomita sy Sidoniana ary Hetita,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tia vehivavy maro hafa firenena ankoatra ilay zanakavavin’i Farao anefa i Solomona mpanjaka: Vehivavy moabita, amonita, edomita, sidoniana ary hetita,
malagasy
[Ny nivilian'i Solomona namporafy maro, sy ny nanompoany sampy, ary ny namalian'Andriamanitra azy] Fa Solomona mpanjaka tia vehivavy maro hafa firenena, fa tsy ilay zanakavavin'i Farao ihany, dia vehivavy Moabita sy Amonita sy Edomita sy Sidoniana ary Hetita,