1 Kings 11:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izay fotoana izay i Hadada sy ny Edomita sasany, mpanompon’ny rainy izay nanaraka azy, no nandositra ka nankany Ejipta. Mbola zazalahy kely i Hadada tamin’io.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany i Adada niara-nandositra tamin’ny Edômita sasany, izay isan’ny mpanompon-drainy, mba ho any Ejipta. Mbola zazalahy tanora i Adada fahizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa i Hadada, izay mbola tovolahy kely tamin’izay, dia afaka nandositra tany Ejipta niaraka tamin’ny Edômita sasany tandapan-drainy;
Malagasy Bible 1865
dia nandositra Hadada sy ny Edomita, sasany mpanompon-drainy izay nanaraka azy ka nankany Egypta; fa mbola zazalahy kely Hadada tamin'izay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izay fotoana izay i Hadada sy ny Edomita sasany, mpanompon’ny rainy izay nanaraka azy, no nandositra ka nankany Ejipta. Mbola zazalahy kely i Hadada tamin’io.
malagasy
dia nandositra Hadada sy ny Edomita, sasany mpanompon-drainy izay nanaraka azy ka nankany Egypta; fa mbola zazalahy kely Hadada tamin'izay.