1 Kings 11:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niainga niala tany Midiana ireo ka tonga tany Parana; dia naka olona avy tany Parana izy ireo homba azy ka nankany Ejipta ho any amin’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, izay nanome azy trano sy tany sady nilaza hanome hanina azy koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony niala tany Madiàna izy, dia nankany Faràna, ary naka olona avy tao Faràna hiaraka aminy izy ireo, dia tonga tany Ejipta ao amin’ny Faraôna mpanjakan’i Ejipta, ka nomen’izy io trano i Adada, namononany fivelomana, sady notolorany tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
nandao ny faritr’i Midiana ireo ka tonga tany an-taniefitra Paràna. Tao izy no nitondra lehilahy hiaraka aminy hankany Ejipta, ho ao amin’ny Farao mpanjaka izay nanome azy trano sy tany ary nampanantena azy hanina.
Malagasy Bible 1865
Ary niainga niala tany Midiana ireo ka tonga tany Parana; dia naka olona avy tany Parana homba azy izy ka nankany Egypta ho any amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, izay nanome azy trano sy tany sady nilaza hanome hanina azy koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niainga niala tany Midiana ireo ka tonga tany Parana; dia naka olona avy tany Parana izy ireo homba azy ka nankany Ejipta ho any amin’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, izay nanome azy trano sy tany sady nilaza hanome hanina azy koa.
malagasy