1 Kings 11:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia vehivavy avy amin’ny firenena izay nolazain’NY TOMPO tamin’ny Zanak’Israely hoe: Tsy hanambady azy ianareo, ary tsy hanambady anareo izy, fa hampivily ny fonareo hanaraka ny andriamaniny tokoa izy; kanjo tamin’ireo no niraiketan’ny fitiavan’i Solomona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary amin’ireo firenena nilazan’ny Tompo tamin’ny zanak’i Israely hoe: «Ianareo tsy handeha amin’ireny, izy ireny tsy handeha aminareo, satria tsy maintsy havilin’ireny ny fonareo mankamin’ny andriamaniny», kanjo raiki-pitia tamin’ireo i Salômôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo vehivavy ireo anefa dia avy amin’ny firenena izay nolazain’ny TOMPO tamin’ny Israelita hoe: «Aza miharoharo amin’ireo hafa firenena ireo ianareo ary aza avela hiharo aminareo koa izy, fa hitarika anareo hanaraka ny fanompoam-pivavahana fanaony amin’ireo andriamaniny izy.» Nefa dia tamin’ireo no niraiketan’ny fitiavan’i Salômôna;
Malagasy Bible 1865
dia vehivavy avy amin'ny firenena izay nolazain'i Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Tsy hanambady azy ianareo, ary izy tsy hanambady anareo, fa hampivily ny fonareo hanaraka ny andriamaniny tokoa izy; kanjo tamin'ireo no niraiketan'ny fitiavan'i Solomona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia vehivavy avy amin’ny firenena izay nolazain’NY TOMPO tamin’ny Zanak’Israely hoe: Tsy hanambady azy ianareo, ary tsy hanambady anareo izy, fa hampivily ny fonareo hanaraka ny andriamaniny tokoa izy; kanjo tamin’ireo no niraiketan’ny fitiavan’i Solomona.
malagasy