1 Kings 11:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa ren’i Hadada tany Ejipta fa nodimandry any amin’ny razany i Davida sady maty koa i Joaba, lehiben’ny miaramila, dia hoy izy tamin’i Farao: Alefaso hody any amin’ny tanindrazako aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony ren’i Adada, tany Ejipta, fa hoe nody mandry any amin’ny razany i Davida, ary maty koa i Jôaba filohan’ny tafika, dia hoy izy tamin’i Faraôna: «Avelao aho hody any amin’ny taniko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa ren’i Hadada tany Ejipta fa maty i Davida sy i Jôaba filohan’ny tafika, dia hoy izy tamin’ny Farao: –Avelao aho hody any amin’ny taniko.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa ren'i Hadada tany Egypta fa Davida lasa nody mandry any amin'ny razany, sady maty koa Joaba, komandin'ny miaramila, dia hoy izy tamin'i Farao: Alefaso aho hody any amin'ny tanin-drazako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa ren’i Hadada tany Ejipta fa nodimandry any amin’ny razany i Davida sady maty koa i Joaba, lehiben’ny miaramila, dia hoy izy tamin’i Farao: Alefaso hody any amin’ny tanindrazako aho.
malagasy
Ary rehefa ren'i Hadada tany Egypta fa Davida lasa nody mandry any amin'ny razany, sady maty koa Joaba, komandin'ny miaramila, dia hoy izy tamin'i Farao: Alefaso aho hody any amin'ny tanin-drazako.