1 Kings 11:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Namory olona maro ho ao aminy izy ka tonga kapitenin’ny andian-tafika iray, tamin’ilay fotoana namonoan’i Davida an’izany andian-tafika izany. Nankany Damaskosy izy sy ny namany ka nitoetra sy nanjaka tao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Namory olona homba azy izy, ka tonga lehiben’ny andiam-pireneny fony i Davida namono ny antoko miaramilan’ny tompony. Dia nankany Damasy i Razôna ka niorim-ponenana tao, dia nanjaka tao Damasa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny fotoana nandringanan’i Davida ny tafik’i Hadadehezera, dia novorin’i Rezôna teo aminy ny vatan-dehilahy maro ka izy no nitsangana ho filohan’ireo; ary nankany Damasy izy sy ny namany ka nitoetra sy nanjaka tao.
Malagasy Bible 1865
Dia namory olona maro ho ao aminy izy ka tonga kapiteniny tamin'ny namonoan'i Davida ny olona tany Zoba; ary nankany Damaskosy izy sy ny namany ka nitoetra sy nanjaka tao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Dia namory olona maro ho ao aminy izy ka tonga kapiteniny tamin'ny namonoan'i Davida ny olona tany Zoba; ary nankany Damaskosy izy sy ny namany ka nitoetra sy nanjaka tao.