1 Kings 11:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Jeroboama, zanak’i Nebata, Efraimita avy any Zareda ary mpanompon’i Solomona, dia nanainga tanana hikomy tamin’ny mpanjaka. Zeroa no anaran’ny reniny, vehivavy mpitondratena iray.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanainga tanana tamin’ny mpanjaka, i Jerôbôama, zanak’i Nabata, Efrateanina, avy any Sareda izy; ary vehivavy mpitondra tena atao hoe Sarvà no reniny ary mpanompon’i Salômôna izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy koa ny fikomian’i Jerôbohama tamin’ny mpanjaka. Izao ny tantarany: I Jerôbohama, zanakalahin’i Nebata, dia Efraîmita avy any Tseredà; ny reniny dia mpitondratena nantsoina hoe Tserohà; ary izy dia mba mpanompon’i Salômôna saingy nikomy taminy. Fa tamin’ny fotoana nanaovan’i Salômôna ny Milao sy nanamboarana ny rimbona tamin’ny mandan’ny tanànan’i Davida rainy,
Malagasy Bible 1865
Ary Jerobeama, zanak'i Nebata, Efraimita avy any Zareda, mpanompon'i Solomona (Zeroa no anaran-dreniny, vehivavy mpitondratena), dia nanainga tanàna hikomy tamin'ny mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Jeroboama, zanak’i Nebata, Efraimita avy any Zareda ary mpanompon’i Solomona, dia nanainga tanana hikomy tamin’ny mpanjaka. Zeroa no anaran’ny reniny, vehivavy mpitondratena iray.
malagasy
Ary Jerobeama, zanak'i Nebata, Efraimita avy any Zareda, mpanompon'i Solomona (Zeroa no anaran-dreniny, vehivavy mpitondratena), dia nanainga tanàna hikomy tamin'ny mpanjaka.