1 Kings 11:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
satria efa nahafoy Ahy izy ireo ka niankohoka teo anatrehan’i Astarta, andriamani-bavin’ny Sidoniana, sy i Kemosy, andriamanitr’i Moaba ary i Milkoma, andriamanitry ny taranak’i Amona, fa tsy nandeha tamin’ny lalako izy ireo mba hanaovany izay mahitsy eo imasoko sy hitandremany ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an’i Davida rainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny anton’izany dia noho izy ireo efa nandao Ahy ka niankohoka teo anatrehan’i Astarte, andriamanibavin’ny Sidonianina, sy teo anatrehan’i Melkôma, andriamanitry ny taranak’i Amôna, ary noho izy ireo tsy nandeha tamin’ny lalako, mba hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didy amam-pitsipiko, tahaka ny nataon’i Davida rain’i Salômôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hataoko izany satria efa nandao Ahy ireo ka niankohoka teo anatrehan’i Hastôreta andriamani-bavin’ny Tsidônianina, sy teo anatrehan’i Kemôsy andriamanitry ny Môabita, ary teo anatrehan’i Milkôma andriamanitry ny Hamônita; fa tsy mba ny sori-dalako no nizorany hanaovana izay mahitsy eo imasoko ary hitandremana ny lalàna amam-pitsipiko tahaka ny nataon’i Davida rain’i Salômôna.
Malagasy Bible 1865
satria efa nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo anatrehan'i Astarta, andriamani-bavin'ny Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr'i Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny taranak'i Amona, fa tsy nandeha tamin'ny lalako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an'i Davida rainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
satria efa nahafoy Ahy izy ireo ka niankohoka teo anatrehan’i Astarta*, andriamani-bavin’ny Sidoniana, sy i Kemosy, andriamanitr’i Moaba ary i Milkoma, andriamanitry ny taranak’i Amona, fa tsy nandeha tamin’ny lalako izy ireo mba hanaovany izay mahitsy eo imasoko sy hitandremany ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an’i Davida rainy.
malagasy
satria efa nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo anatrehan'i Astarta, andriamani-bavin'ny Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr'i Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny taranak'i Amona, fa tsy nandeha tamin'ny lalako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an'i Davida rainy.