1 Kings 11:38 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin’ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko sady mitandrina ny didiko sy ny lalànako tahaka izay nataon’i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao, tahaka izay nataoko ho an’i Davida, ary homeko anao ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha manaraka izay rehetra andidiako anao ianao, ka mandeha amin’ny lalako, sy manao izay mahitsy eo imasoko, mitandrina ny lalàna aman-didiko, tahaka ny nataon’i Davida mpanompoko, dia homba anao Aho, hanao trano maharitra ho anao, tahaka ny nataoko tamin’i Davida Mpanompoko ary homeko anao i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha henoinao izay rehetra andidiako anao ka izoranao ny sori-dalako ary ataonao izay mahitsy eo imasoko sady tandremanao ny lalànako sy ny didiko tahaka ny nataon’i Davida mpanompoko, dia hiaraka aminao Aho ka hampiorina taranaka maharitra ho anao tahaka izay nataoko tamin’i Davida; ary dia homeko anao i Israely,
Malagasy Bible 1865
Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin'ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko ka mitandrina ny didiko sy ny lalàko tahaka izay nataon'i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao, tahaka izay nataoko ho an'i Davida, ary homeko anao ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin’ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko sady mitandrina ny didiko sy ny lalànako tahaka izay nataon’i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao, tahaka izay nataoko ho an’i Davida, ary homeko anao ny Israely.
malagasy
Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin'ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko ka mitandrina ny didiko sy ny lalàko tahaka izay nataon'i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao, tahaka izay nataoko ho an'i Davida, ary homeko anao ny Isiraely. [Heb. hanao trano maharitra ho anao]