1 Kings 11:40 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitady hamono an’i Jeroboama i Solomona. Nefa niainga i Jeroboama dia nandositra nankany Ejipta ho any amin’i Sisaka, mpanjakan’i Ejipta, ka nitoetra tany mandra-pahafatin’i Solomona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Notadiavin’i Salômôna hovonoina i Jerôbôama; fa nitsoaka nandositra nankany Ejipta amin’i Sesàka, mpanjakan’i Ejipta, i Jerôbôama ka nonina tany Ejipta mandra-pahafatin’i Salômôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nitady hahafaty an’i Jerôbohama i Salômôna; fa i Jerôbohama kosa lasa nandositra tany Ejipta ka nialokaloka tao amin’i Sisàka mpanjakan’io tany io mandra-pahafatin’i Salômôna.
Malagasy Bible 1865
Ary Solomona nitady hamono an'i Jeroboama. Fa Jeroboama niainga, dia nandositra nankany Egypta ho any amin'i Sisaka, mpanjakan'i Egypta, ka nitoetra tany mandra-pahafatin'i Solomona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitady hamono an’i Jeroboama i Solomona. Nefa niainga i Jeroboama dia nandositra nankany Ejipta ho any amin’i Sisaka, mpanjakan’i Ejipta, ka nitoetra tany mandra-pahafatin’i Solomona.
malagasy
Ary Solomona nitady hamono an'i Jeroboama. Fa Jeroboama niainga, dia nandositra nankany Egypta ho any amin'i Sisaka, mpanjakan'i Egypta, ka nitoetra tany mandra-pahafatin'i Solomona.