1 Kings 11:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany i Solomona dia nanorina toerana fanaovana sorona ho an’i Kemosy, izay fahavetavetan’i Moaba, teo amin’ny havoana tandrifin’i Jerosalema, ary koa ho an’i Moloka, izay fahavetavetan’ny taranak’i Amona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany nanorina toerana avo i Salômôna teo amin’ny tendrombohitra tandrifin’i Jerosalema, ho an’i Kamosa fahavetavetan’i Moaba, sy ho an’i Môlôka, fahavetavetan’ny taranak’i Amôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany i Salômôna dia nanangana toeram-panasinana teo amin’ny havoana tandrifin’i Jerosalema mba ho an’i Kemôsy andriamani-tsampin’ny Môabita ary koa mba ho an’i Milkôma andriamani-tsampin’ny Hamônita.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany Solomona dia nanao fitoerana avo ho an'i Kemosy, fahavetavetan'i Moaba, teo amin'ny havoana tandrifin'i Jerosalema, ary ho an'i Moloka, fahavetavetan'ny taranak'i Amona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary tamin'izany Solomona dia nanao fitoerana avo ho an'i Kemosy, fahavetavetan'i Moaba, teo amin'ny havoana tandrifin'i Jerosalema, ary ho an'i Moloka, fahavetavetan'ny taranak'i Amona.