1 Kings 12:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy ny navalin’ireo tanora indray nihira taminy: Raha niteny taminao ny vahoaka hoe: Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa ianao kosa, mba hamaivano aminay izany! Dia izao no lazao aminy: Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny andilan’ny raiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia namaly ireto tovolahy indray nihira taminy, ka nanao hoe: «Izao no havalinao ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Irainao nampahavesatra ny jiogany, fa ianao kosa hamaivano aminay izany. Izao no holazainao azy ireo: Lehibe noho ny valahan’ikaky ny ankikeliko,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ireto tovolahy ireto tamin’i Rehabohama: –Niangavian’ireo vahoaka ireo ianao hanamaivana ny zioga mavesatra nampiantsorohan-drainao azy. Koa izao no lazao aminy: «Ny ankikeliko dia lehibe noho ny sandrin-draiko.
Malagasy Bible 1865
Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin'ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy: Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan'ny raiko;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy ny navalin’ireo tanora indray nihira taminy: Raha niteny taminao ny vahoaka hoe: Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa ianao kosa, mba hamaivano aminay izany! Dia izao no lazao aminy: Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny andilan’ny raiko.
malagasy