1 Kings 12:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka niteny taminy araka ny hevitra nomen’ireo tanora hoe: Ny raiko dia nampitondra zioga mavesatra anareo, fa izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga hoentinareo! Kotopia no namaizan’ny raiko anareo fa kotopia misy fantsika kosa no hamaizako anareo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ikaky nampahavesatra ny jioganareo, fa izaho kosa vao mainka hanavesatra ny jioganareo; kotopia no namaizan’ikaky anareo, fa maingoka kosa no hamaizako anareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary araka ny torohevitr’ireo tovolahy no nitenenany taminy hoe: –Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa vao mainka hanampy trotraka izany; karavasy tsotra no namaizan-draiko anareo, fa karavasy misy faraingo kosa no hamaizako anareo.
Malagasy Bible 1865
ka niteny taminy araka ny hevitra nomen'ireo tovolahy hoe: Ny raiko dia nampitondra zioga mavesatra anareo, fa izaho kosa mainka hanampy ny zioga ho entinareo, kotopia no namazain'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka niteny taminy araka ny hevitra nomen’ireo tanora hoe: Ny raiko dia nampitondra zioga mavesatra anareo, fa izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga hoentinareo! Kotopia no namaizan’ny raiko anareo fa kotopia misy fantsika kosa no hamaizako anareo!
malagasy