1 Kings 12:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy nihaino ny olona ny mpanjaka; avy tamin’NY TOMPO anefa izany fandehan-javatra izany mba hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an’i Ahia silonita tamin’i Jeroboama, zanak’i Nebata.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa dia tsy nihaino ny vahoaka àry ny mpanjaka; ary izany no fomba nalahatr’i Iaveh, hahatanterahan’ilay nolazain’i Iaveh tamin’i Jerôbôama, zanak’i Nabata, tamin’ny alalan’i Ahiasa avy ao Silao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa tsy nankatò ny fitakian’ny vahoaka ny mpanjaka; fa ny TOMPO no nahatonga izany zavatra izany mba hahatanteraka ny fampanantenana izay nampilazainy an’i Ahià mpaminany avy any Silao tamin’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata.
Malagasy Bible 1865
Koa dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka; fa avy tamin'i Jehovah izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an'i Ahia Silonita tamin'i Jeroboama, zanak'i Nebata.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy nihaino ny olona ny mpanjaka; avy tamin’NY TOMPO anefa izany fandehan-javatra izany mba hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an’i Ahia silonita tamin’i Jeroboama, zanak’i Nebata.
malagasy
Koa dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka; fa avy tamin'i Jehovah izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an'i Ahia Silonita tamin'i Jeroboama, zanak'i Nebata.