1 Kings 12:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary naniraka an’i Adorama, lehiben’ny mpanao fanompoana, i Rehoboama mpanjaka, nefa ny Israely rehetra dia nitora-bato azy ka maty izy. Dia niezaka nankeo amin’ny kalesy fitondrany miady i Rehoboama mpanjaka ka nandositra ho any Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naniraka an’i Adôrama, lehiben’ny mpamory hetra, i Rôbôama mpanjaka, tamin’izay; fa notorahan’i Israely rehetra vato io, ka maty. Izay i Rôbôama mpanjaka vao niakatra tamin’ny kalesy anankiray faingana, handositra ho any Jerosalema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary naniraka an’i Adôrama mpiandraikitra ny asa anterivozona i Rehabohama mpanjaka; nefa nitora-bato an’i Adôrama ny Israelita tavaratra rehetra ka nahafaty azy. Zara raha afa-nitaingina ny kalesiny haingana i Rehabohama mba handositra any Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
Ary dia naniraka an'i Adorama, komandin'ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Isiraely rehetra nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin'ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary naniraka an’i Adorama, lehiben’ny mpanao fanompoana, i Rehoboama mpanjaka, nefa ny Israely rehetra dia nitora-bato azy ka maty izy. Dia niezaka nankeo amin’ny kalesy fitondrany miady i Rehoboama mpanjaka ka nandositra ho any Jerosalema.
malagasy