1 Kings 12:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa ren’ny Israely rehetra fa tafaverina indray i Jeroboama dia nandefa iraka haka azy ho ao amin’ny fivoriana izy ka nampanjaka azy tamin’ny Israely rehetra. Tsy nisy nanaraka ny taranak’i Davida afa-tsy ny fokon’i Joda irery ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony ren’i Israely rehetra fa hoe tafaverina avy any Ejipta i Jerôbôama, dia naniraka olona hiantso azy ho eo amin’ny fivoriana izy, ka nampanjakainy tamin’i Israely rehetra, ka tsy nisy nanaraka ny tranon’i Davida afa-tsy ny fokon’i Jodà irery ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa ren’ny Israelita tavaratra rehetra fa tafaverina indray i Jerôbohama, dia nampiantsoina hankao amin’ny fivoriana izy ka nampanjakainy tamin’i Israely avaratra manontolo; ary dia tsy nisy nanaraka ny taranak’i Davida intsony afa-tsy ny fokon’i Joda ihany.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa ren'ny Isiraely rehetra fa efa tafaverina indray Jeroboama, dia naniraka naka azy ho ao amin'ny fivoriana izy ka nampanjaka azy tamin'ny Isiraely rehetra; dia tsy nisy nanaraka ny taranak'i Davida afa-tsy ny firenen'i Joda ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa ren’ny Israely rehetra fa tafaverina indray i Jeroboama dia nandefa iraka haka azy ho ao amin’ny fivoriana izy ka nampanjaka azy tamin’ny Israely rehetra. Tsy nisy nanaraka ny taranak’i Davida afa-tsy ny fokon’i Joda irery ihany.
malagasy