1 Kings 12:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga tany Jerosalema i Rehoboama dia novoriny ny taranak’i Joda rehetra mbamin’ny fokon’i Benjamina, dia miaramila voafantina valo alina sy iray hetsy, hiady amin’ny taranak’Israely mba hampody ny fanjakana indray ho amin’i Rehoboama, zanak’i Solomona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao tonga tany Jerosalema i Rôbôama, dia namory ny tranon’i Jodà rehetra sy ny fokon’i Benjamina, dia miaramila 180.000 voafantina, hiady amin’ny tranon’i Israely, ka hampody ny fanjakana indray amin-dRôbôama zanak’i Salômôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vao tonga tany Jerosalema i Rehabohama, dia namory miaramila voafantina miisa vondrona 180 tamin’ny fokon’i Joda sy i Benjamîna mba hiady amin’i Israely avaratra ka hamerina azy indray io fanjakana io ho an’ny tenany, izay zanakalahin’i Salômôna.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak'i Joda rehetra mbamin'ny firenen'i Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin'ny taranak'Isiraely hampody ny fanjakana indray ho an-dRehoboama, zanak'i Solomona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga tany Jerosalema i Rehoboama dia novoriny ny taranak’i Joda rehetra mbamin’ny fokon’i Benjamina, dia miaramila voafantina valo alina sy iray hetsy, hiady amin’ny taranak’Israely mba hampody ny fanjakana indray ho amin’i Rehoboama, zanak’i Solomona.
malagasy