1 Kings 12:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mandeha hiady amin’ny Zanak’Israely rahalahinareo! Samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy Amiko izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin’NY TOMPO ny olona ka samy lasa nody araka ny tenin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: Aza miakatra ary aza miady amin’ny zanak’i Israely, rahalahinareo. Samia mody any an-tranonareo avy ianareo, fa dia Izaho no nahatongavan’izao zavatra izao.» Dia nihaino ny tenin’i Iaveh izy ireo, ka samy nody, nanaraka ny tenin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa izao no lazain’ny TOMPO: «Aza mandeha hiady amin’ny Israelita tavaratra mpiray firenena aminareo; samia mody any an-tranony avy ianareo, satria Izaho no nahatonga izao zavatra izao.» Dia nankatoavin’ny olona izany tenin’ny TOMPO izany, ka samy lasa nody tokoa izy araka ny tenin’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: Aza mandeha hiady amin'ny Zanak'Isiraely rahalahinareo; fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin'i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody araka ny tenin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mandeha hiady amin’ny Zanak’Israely rahalahinareo! Samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy Amiko izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin’NY TOMPO ny olona ka samy lasa nody araka ny tenin’NY TOMPO.
malagasy