1 Kings 12:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanamboatra an’i Sekema any amin’ny tany be havoana any Efraima i Jeroboama ka nonina tao; rehefa nivoaka avy tao izy dia nanamboatra an’i Penoela koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Sikema any amin’ny tendrombohitr’i Efraima no naorin’i Jerôbôama, dia nonina tao izy. Niala tao indray izy dia nanorina an’i Fanoela.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nampamboarin’i Jerôbohama ho tanànamimanda i Sekema any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraîma ka nonenany. Rehefa niala tao Sekema izy, dia nampamboatra an’i Penoela ho tanànamimanda koa.
Malagasy Bible 1865
Ary Jeroboama dia nanamboatra an'i Sekema any amin'ny tany havoan'i Efraima ka nonina tao; ary raha avy tao izy, dia nanamboatra an'i Pehoela koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanamboatra an’i Sekema any amin’ny tany be havoana any Efraima i Jeroboama ka nonina tao; rehefa nivoaka avy tao izy dia nanamboatra an’i Penoela koa.
malagasy
[Ny nanaovan'i Jeroboama ireo sarin'ombilahy kely volamena tao Betela sy Dana] Ary Jeroboama dia nanamboatra an'i Sekema any amin'ny tany havoan'i Efraima ka nonina tao; ary raha avy tao izy, dia nanamboatra an'i Pehoela koa.