1 Kings 12:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
satria, raha miakatra hamono zavatra hatao fanatitra ao amin’ny tranon’NY TOMPO any Jerosalema ny vahoaka dia hiverina amin’ny tompony indray ny fony, dia amin’i Rehoboama, mpanjakan’ny Joda, koa hamono ahy izy ireo ka hiverina any amin’i Rehoboama, mpanjakan’ny Joda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha miakatra hanao sorona any an-tranon’i Iaveh any Jerosalema ny vahoaka, hitodika ny fon’ity vahoaka ity hankany amin’ny tompony indray, amin-dRôbôama mpanjakan’i Jodà, dia hamono ahy ka hiverina amin-dRôbôama mpanjakan’i Jodà.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha mbola miakatra hanao sorona ao an- tranon’ny TOMPO any Jerosalema ny vahoaka, dia hitodika amin’i Rehabohama mpanjakan’i Joda tompony indray ny fony; ka hamono ahy ho faty izy ary hiverina any amin’i Rehabohama.»
Malagasy Bible 1865
fa raha miakatra hamono zavatra hatao fanatitra ao amin'ny tranon'i Jehovah any Jerosalema ny vahoaka, dia hody amin'ny tompony indray ny fony dia amin-dRehoboama, mpanjakan'ny Joda, ary dia hamono ahy izy ka hiverina any amin-dRehoboama, mpanjakan'ny Joda, indray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
satria, raha miakatra hamono zavatra hatao fanatitra ao amin’ny tranon’NY TOMPO any Jerosalema ny vahoaka dia hiverina amin’ny tompony indray ny fony, dia amin’i Rehoboama, mpanjakan’ny Joda, koa hamono ahy izy ireo ka hiverina any amin’i Rehoboama, mpanjakan’ny Joda.
malagasy