1 Kings 12:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanendry andro firavoravoana tamin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahavalo, tahaka ny andro firavoravoana tamin’ny Joda ihany koa i Jeroboama ka nanolotra fanatitra teo ambonin’ny alitara izy. Toy izany no nataony tao Betela, fa namono zavatra hatao fanatitra ho an’ireo ombilahy kely izay nataony izy. Natsangany tao Betela ireo mpisoron’ny toerana fanaovana sorona izay notendreny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy fety noforonin’i Jerôbôama tamin’ny volana fahavalo tamin’ny andro faha 15-n’ny volana ho fanahafana ny fety fanao any amin’i Jodà, dia nanatitra sorona teo ambony ôtely izy. Toy izany no nataony tao Betela, mba hanaovan’ny olona sorona amin’ireo zanak’omby nataony, ary nampitoeriny tao Betela ny mpisoron’ireo fitoerana avo, izay natsangany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanendry andro fety koa izy, dia ny andro faha-15 amin’ny volana fahavalo izay mitovitovy amin’ny fety any Joda ihany, ary dia nanatitra sorona teo ambony alitara koa. Toy izany no nataony tany Betela, fa nanao sorona ho an’ireo ombilahikely namboariny izy; ary nampitoeriny tao Betela ireo mpisorona izay notendreny ho an’ireny toeram-panasinana ireny.
Malagasy Bible 1865
Ary Jeroboama, nanendry andro firavoravoana tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahavalo, tahaka ny andro firavoravoana tamin'ny Joda ihany, ka nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara izy. Toy izany no nataony tao Betela, fa namono zavatra hatao fanatitra ho an'ireo ombilahy kely izay nataony izy; ary nampitoeriny tao Betela ireo mpisorona amin'ny fitoerana avo izay notendreny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanendry andro firavoravoana tamin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahavalo, tahaka ny andro firavoravoana tamin’ny Joda ihany koa i Jeroboama ka nanolotra fanatitra teo ambonin’ny alitara izy. Toy izany no nataony tao Betela, fa namono zavatra hatao fanatitra ho an’ireo ombilahy kely izay nataony izy. Natsangany tao Betela ireo mpisoron’ny toerana fanaovana sorona izay notendreny.
malagasy
Ary Jeroboama, nanendry andro firavoravoana tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahavalo, tahaka ny andro firavoravoana tamin'ny Joda ihany, ka nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara izy. Toy izany no nataony tao Betela, fa namono zavatra hatao fanatitra ho an'ireo ombilahy kely izay nataony izy; ary nampitoeriny tao Betela ireo mpisorona amin'ny fitoerana avo izay notendreny.Ary nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara izay nataony tao Betela izy tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahavalo, volana izay notendreny araka ny sitrapony ihany; ary nanao andro firavoravoana ho an'ny Zanak'Isiraely izy sady nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara sy nandoro ditin-kazo manitra.