1 Kings 12:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanolotra fanatitra teo ambonin’ny alitara izay nataony tao Betela izy tamin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahavalo, volana izay notendreny araka ny sitrapony ihany. Nanao andro firavoravoana ho an’ny Zanak’Israely izy ka sady nanolotra fanatitra teo ambonin’ny alitara no nandoro ditin-kazo manitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niakatra teo amin’ny ôtely nataony tany Betela izy, tamin’ny andro faha 15-n’ny volana fahavalo, izay volana nofidin’ny tenany. Ary namorona fety ho an’ny zanak’i Israely izy, ka niakatra teo amin’ny ôtely handoro ny fanatitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andro faha-15 amin’ny volana fahavalo dia nanatitra sorona teo amin’ny alitara izay naoriny tao Betela i Jerôbohama. Izy ihany no tompon-tsafidy ny amin’io datin’andro io. Ary nataony andro fety ho an’ny Israelita tavaratra izany ka niakatra teo amin’ny alitara mihitsy i Jerôbohama mba handoro ny sorona hanetona.
Malagasy Bible 1865
Ary nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara izay nataony tao Betela izy tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahavalo, volana izay notendreny araka ny sitrapony ihany; ary nanao andro firavoravoana ho an'ny Zanak'Isiraely izy sady nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara sy nandoro ditin-kazo manitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanolotra fanatitra teo ambonin’ny alitara izay nataony tao Betela izy tamin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahavalo, volana izay notendreny araka ny sitrapony ihany. Nanao andro firavoravoana ho an’ny Zanak’Israely izy ka sady nanolotra fanatitra teo ambonin’ny alitara no nandoro ditin-kazo manitra.
malagasy