1 Kings 12:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka niteny tamin’ireo hoe: Ahoana kosa no mba hevitra omenareo ka havalintsika ny vahoaka izay niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon’ny rainao taminay?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka hoy izy tamin’ireo: «Inona no hevitra omenareo havaly izany vahoaka izany amin’ity teniny hoe: Hamaivano ny jioga nampitondrain-drainao anay!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nanontaniany hoe: –Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay niangavy ahy hanamaivana ny zioga nampiantsorohan-draiko azy.
Malagasy Bible 1865
ka nanao taminy hoe: Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay efa niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka niteny tamin’ireo hoe: Ahoana kosa no mba hevitra omenareo ka havalintsika ny vahoaka izay niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon’ny rainao taminay?
malagasy
ka nanao taminy hoe: Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay efa niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay