1 Kings 13:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mbola nijoro teo anilan’ny alitara handoro ditin-kazo manitra i Jeroboama, indro nisy lehilahin’Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha mbola nitoetra teo amin’ny ôtely handoro ny sorona i Jerôbôama, dia indro nisy olon’Andriamanitra avy any Jodà, tonga tany Betela, noho ny tenin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho ny baikon’ny TOMPO, dia nisy olon’Andriamanitra avy any Joda tonga tany Betela raha mbola nandoro sorona hanetona teo amin’ny alitara i Jerôbohama.
Malagasy Bible 1865
Ary, indro, nisy lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin'i Jehovah, raha mbola nitsangana teo anilan'ny alitara handoro ditin-kazo manitra Jeroboama.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mbola nijoro teo anilan’ny alitara handoro ditin-kazo manitra i Jeroboama, indro nisy lehilahin’Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin’NY TOMPO.
malagasy
[Ny nanirahan'Andriamanitra ilay mpaminany hananatra an'i Jeroboama noho ny nanaovany ireo sarin'ombilahy kely ireo, sy ny nanjo azy] Ary, indro, nisy lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin'i Jehovah, raha mbola nitsangana teo anilan'ny alitara handoro ditin-kazo manitra Jeroboama.