1 Kings 13:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy mpaminany antitra iray hafa tao Betela. Tonga ireo zanany dia nitantara taminy izay rehetra nataon’ilay lehilahin’Andriamanitra tamin’io andro io tao Betela, ary nolazain’ireo tamin’ny rainy koa ny teny izay nolazain-dRalehilahy tamin’ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy kosa mpaminany antitra anankiray nonina tany Betela; ka tonga ny zanany namisavisa taminy ny zavatra rehetra nataon’ilay olon’Andriamanitra tao Betela androtr’iny; nambarany tamin-drainy koa ny teny nolazain-dralehilahy tamin’ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nisy mpaminany antitra iray nipetraka tany Betela; ary tonga ireo zanany lahy ka nitantara taminy izay rehetra nataon’ilay olon’Andriamanitra androtriny tao Betela sy izay nambarany tamin’ny mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Fa nisy mpaminany antitra anankiray tao Betela; ary tonga ny zanany ka nilaza taminy izay rehetra nataon'ilay lehilahin'Andriamanitra androtr'iny tao Betela; ary nolazain'ireo tamin-drainy koa ny teny izay nolazain-dralehilahy tamin'ny mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy mpaminany antitra iray hafa tao Betela. Tonga ireo zanany dia nitantara taminy izay rehetra nataon’ilay lehilahin’Andriamanitra tamin’io andro io tao Betela, ary nolazain’ireo tamin’ny rainy koa ny teny izay nolazain-dRalehilahy tamin’ny mpanjaka.
malagasy